Fadin-tseranana : Hankalazaina ny faha-200 taonany amin’ny 2023
Raha tsiahivina dia tamin’ny 2020 no feno 200 taona ny fadin-tseranana izay nisy teto Madagasikara. Izany hoe efa tamin’ny andron’ny faha-mpanjaka no nisian’izany fadin-tseranana izany niasa voalohany indrindra teto Madagasikara. Nankatoavin’ny filan-kevitry ny Minisitra ny fanakalazana ny faha -200 taonany ity ho amin’ny taona 2023.
« Hetsika efa tokony nokarakaraina ny taona 2020 izy ity saingy noho ny covid-19 dia tsy tanteraka izany. Amin’io taona 2023 io izany no fotoana hanatanterahana ny fankalazana ka ireo tetik’asa rehetra entina hampivoarana ny fadintseranana no entina hankalazana izany. Lehibe indrindra ohatra ny mahakasika ny fikarakarana lavanty izay ho atao amin’ny alalan’ny aterineto mba hampanarahana ny toetr’andro ny asa atao amin’ity andrim-panjakana ity », hoy ny avy ao amin’ny Fadintseranana Malagasy.
« Sehatra iray maro kolikoly. Ezaka iray lehibe indrindra ihany koa amiko raha mahakasika ny fadintseranana dia ny fialana amin’ny kolikoly. Sady mamatotra ny tenany izy ireo no mamono ny hafa raha vao manao izany kolikoly izany. Fototra iray ihany koa mbola tsy mampandroso an’ny Madagasikara », hoy i Niaina, mpandeha fiaramanidina.
Raha manao jery todika ity taona ity ny fadintseranana dia nahomby tamin’ny fanatanterahana ny asa tsirairay. Hitohizan’ny fahombiazana anefa dia mitaky ny fandraisana andraikitry ny rehetra eo anivon’ny orinasa izany sy fahatongavan-tsaina amin’ny lesoka mety niseho. Efa voky traikefa izany 200 taona izany saingy ny fivoarana ihany koa mila arahina hatrany mba hanamorana ny asa maindry.
Miora Raharisolo
