Luxembourg : Vehivavy iray hita voakapakapa tao anaty trano iray
Vehivavy iray antsoina hoe Diana Cachapa, 32 taona no hita faty tao anaty trano (appartement) iray tao Bonnevoie, Luxembourg. Norasarasaina sy nokapakapaina io vehivavy io. Voatsatok’antsy nandritra ny fotoana nisehoan’ny loza ihany koa ny olo-tiany 27 taona, antsoina hoe Diogo Simões saingy tafatsoaka izy ary nahazo fitsaboana tany amin’ny hopitaly.
Raha ny fanazavan’i Diogo Simões dia ny tompon-tranon’izy ireo, lehilahy 45 taona no namono azy sy Diana Cachapa. Nosamborina avy hatrany io lehilahy io ary notanana am-ponja vonjy maika. Marihana fa avy ao Portugal i Diana Cachapa, vehivavy faharoa hita norasarasaina avy any an-toerana tao anatin’ny 3 volana izy. Vehivavy iray antsoina hoe Diana Santos, 40 taona ihany koa no nisy namono voakapakapa tao Mont-Saint-Martin, Meurthe-et-Moselle.
