ActualitésTatitra

Etats-Unis : Manodidina ny 20 ny olona maty nandritra ny tafiotra tao an-toerana

Nisehoana « tempête hivernale » nandoza tao Etats-Unis nandritra ny fetin’ny noely teo. Olona mahery ny 22 isa no lavo nandritra izany tao amin’ny fanjakana enina raha ny tatitry ny manam-pahefena. Misy olona 4 matin’ny lozam-pifamoivoizana tao Ohio tamin’ireo, raha ny fanazavan’ny governora Mike DeWine.

Toeram-pitsaboana maro no tsy afaka niazoana noho ny hatevin’ny « neige » tao Buffalo, fanjakan’i New-York izay toerana voakasika indrindra tamin’ny tafiotra hoy i Mark Poloncarz, tompon’andraikitry ny comté d’Erie. Manoloana izany dia olona roa no maty noho ny tsy fahampiana fanafody hoy izy.

Nanazava io tompon’andraikitra io fa mbola maro ireo olona mety taraiky any anaty fiarany ka mety mbola hiakatra io antontan’isan’ny olona maty io.

Laisser un commentaire