France : Natolotra ny fitsarana ny 26 desambra teo ilay lehilahy voaharohirohy tamin’ny famonoana olona 3 tao Paris
Lehilahy iray 69 taona efa misotro ronono no voarohirohy namono olona teratany Kurdes (Iranien miteny Indo-Européen) tao Paris. Tokony nampidirana am-ponja vonjy maika io lehilahy io ny alahady teo saingy nentina teny amin’ny hopitaly mitsabo saina izy noho ny olona ara-pahasalamana.
Raha tsiahivina dia olona 3 no maty ary olona 3 no naratra nandritra ny fanafihana nataon’io lehilahy io. Raha ny fanadihadiana nataon’ny manam-pahefana dia « xénophobe » na fankahalana olona vahiny no anton’io fihetsika io. Niaiky io lehilahy nahavon-doza io fa manavakavam-bolon-dokitra ny tenany ary mankahakla ny vahiny nanomboka tamin’ny taona 2016 izay nanafihan’olona teratany vahiny azy.
Anaty fahaketrehana sy manam-pikasana hamono tena io voarohirohy amin’ny raharaha io hoy ny ny mpampanoa lalàna ao Paris, Laure Beccuau. Nilaza kosa io lehilahy 69 taona io fa efa ela izy no naniry no naniry hamono teratany vahiny alohan’ny hamonoany tena.
