Mila manara-dalàna avokoa ny fiara mpitatitra rehetra.
Misy ny lalàna sy fenitra mifehy ankapobeny ny fitanteram-bahoaka manerana ny faritra rehetra sy ny tanàn-dehibe. Antsoina hoe mpitatitra ny vondron-draharaha misahana ny fitateran’olona an’arabe, tafiditra ao anatin’izany ny fiaran’ny orinasa, ny taxibe fitateram-bahoaka sy ny maro samihafa manana endrika tahaka izay. Ny lalàna no mamaritra fa ny manam-pahefana tompon’andraikitra no mandamina sy mitantana ny zotra fitateram-bahoaka an’arabe aminà fiarakodia. Tsy maintsy mametraka fangatahana fahazoan-dalana mitondra araka izany ireo rehetra te hitatitra olona. Tsy manavaka izany na ny fiaran’olo-tsotra aza. Maro ireo manao fitaterana mpiasa sy mpianatra tsy manara-dalàna amin’izao fotoana. Vokatry ny fisian’ny valan’aretina no nampihazakazaka ny tompon’andraikitra samihafa hiahy ireo izay mifanerasera matetika ao amin’ny taniny. Manao antso avo anefa ny Kaominiana Antananarivo renivohitra fa tokony hanao fangatahana alalana ireny mpitatitra mpiasa ireny mialohan’ny fanatanterahany ny asany. Mety hiteraka sazy ho an’ireo tsy manatanteraka izany ny tsy fanatanterahana ny fangatahana alalana. Manainga ny mpitatitra rehetra araka izany yeo anivon’ny CUA mba hanao izany eny amin’ny lapan’ny tanan’Antananarivo hatramin’ny faran’ny volana Martsa ho avy izao. Mety hisy kosa ny sazy henjana ho an’ireo izay tsy manara-dalàna aorian’izay.
Fanilo Rarivoarilala
