Ambohimangakely: Nisy ny hetsika fanomezana ny sosialin’ny mpiasa tao an-toerana
Ny zoma faran’ny herinandro teo no nanatanterahina ny sosialin’ny mpiasa tao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Nitarika izany hetsika ny ben’ny tanàna tao an-toerana sy ireo mpiara-miasa aminy.
“Ao anatin’ny ezaka izay ataon’ny rafitra iray, isaky ny fety mamara-parana ny taona tahaka izao, misy hatrany ny fijerena sy fanomezana ny sosialy ho an’ny mpiasa. Natao ihany koa izany mba ho fifampitsinjovana sy fiaraha-mifaly mandritra ireo fety amin’ny faran’ny taona” hoy I Solo, nandalina momba ny ekonomia.
“Mahafinaritra ny hetsika tahaka izao no mahavelombolo ny tsirairay mba samy afaka hifety am-pilaminana avokoa, ka hisaorana ireo tomponandraikitra” hoy ireo avy amin’ny kaominina.
Mitondra hafaliana sy fanantenana ho an’ny mpiasa ny hetsika tahaka izao. Anjara andraikitry ny tompona orinasa na mpitantana kosa no mampisitraka izany ho an’ny mpiasa izany tantanany.
Manitra Ramanantsoa
