Dépêches

Fiarovam-pirenena : Ho tonga amin’ny volana janoary ilay angidim-by « airbus H130 »

Dépêche 23 décembre, 15h, Ho tonga ny volana janoary 2023 izao ilay angidim-by izay nafarana entina hanampiana ireo tafika eto amin’ny firenena. Airbus H130 no anran’izany angidim-by izany izay entina indrinedra hanaovana ny « transport des troupes » sy ny « évacuation sanitaire ». Hahazo tombony kokoa ireo miaramila mety ho tra-doza amperin’asa sy ireo olom-panjakana mamita iraka any amin’ny toerana saro-dalana. Etsy ankilany anefa dia hahazo ny anjarany ihany koa ireo olona izay marary ka mila fanampiana farany izay haingana indrindra. Ho an’ny Malagasy rehetra ny fitaovana hovidiana ka samy hahazo tombony amin’izany avokoa tsy anavahana.

Laisser un commentaire