ActualitésTsidika

Fahasalamana : Fotoam-pahavaratra no tena mampirongatra ny typhoïde

Aretina mpahazo ny olona rehefa fotoan’ny fahavaratra ity aretina ity noho ny fahaloton’ny rano sotroina. Tsy moramora anefa ny vola lany amin’ny fitsaboana ity aretina ity izay heverin’ny olona ho kely, ka izany indrindra no hanentanana ny olona tsirairay hitandrina amin’ny sakafo sy ny rano sotroina.

« Mitentina hatramin’ny 2 tapitrisa ny vola mety ho lany amin’ny fitsaboana ity aretina tifoidra ity raha tsy voatsabo ara-potoana. Ny tena olana goavana anefa dia tsinontsinoavin’ny olona izy io indrindra ny any ambany vohitra. Vanim-potoanan’ny fahavaratra no tena hitrangan’ny aretina typhoïde, ka manomboka ny volana oktobra hatramin’ny volana martsa. Mitoetra eto an-toerana ny otrikar’aretina na antsoina hoe « maladie endémique » ka tokony rano madio ihany no sotroina sy hisasana » hoy i Profesora Rakotozandrindrainy Raphaël.

 Mbola tsy manana vakisiny miaro amin’izany aretina izany anefa i Madagasikara izay tokony hitady vahaolana. « Raha ny antontan’isa dia miisa 200 amin’ny 100 000 no mitondra ny otrik’aretina raha tokony ho 100 amin’ny 100 000 ihany izany ho an’ny firenena iray », hoy hatrany ny fanazavana. Izany indrindra no tokony handinihana ny fampidirana io vaksiny io eto an-toerana.

« Raha mbola tena tsy zakan’ny fahefa-mividy izany vaksiny izany dia ny fiarovan-tena no tokony hatao ambony be mihitsy. Entanina ny tsirairay amin’ny fampiasana ny rano madio sy nampangotrahina. Ireo any ambany vohitra kosa entanina tsy handoto ny rano izay fampiasa amin’ny sakafo sy ny fidiovana raha mitovy ihany ny fampiasa. Azo atao ihany koa ny manokana ny rano fisotro sy ny fidiovana. Mila ampiana ny fanabeazana noho izany mahaksika ny fampiasana ny rano », hoy ny avy ao amin’ny ONN, izay mpikarakara manokana ny sakafo mendrika ho an’ny rehetra.

Heverina ny hisian’ny dinika amin’ny fampidirana ny vakisiny eto an-toerana, taorian’ny fivoriambe iraisam-pirenena mahakasika Tifoidra izay nototosaina tao amin’ny faritra Analamanga, Boeny ary Amoron’i Mania, androany 21 desambra. Eny fa na dia mitentina 1dolara aza izany vaksiny izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire