Hetsika Be M’ray : Hanentanana ny olona hampiasa ny fihetsika sakana ara-pahasalamana
Hotanterahina etsy amin’ny Gara Soarano mandritra ny roa andro ity hetsika ara-pahasalamana ity izay. Natao indrindra hanentanana ny fampiasana ny hetsika sakana rehetra miisa 21 izany.02
« Ny Be M’ray dia paikady nasionaly ho fanovàna ara-tsosialy sy fitondran-tena ara-pahasalamana izay novolavolain’ny Ministera niaraka tamin’ireo mpiara-miombona antoka tamin’ny taona 2019. Miisa 21 ireo fihetsika fototra andavan’andro mahomby amin’ny fahasalmana ka izany indrindra no anton’izao hetsika izao hahafahana mampahafantatra azy sy manampy ny vahoaka », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
« Zon’olombelona tsirairay ny ho salama ary miantoka ny fampandrosoana izany. Tsy tokony hataon ambanin-javatra noho izany ireo fihetsika izay hampianarina sy hampahafantarina mandritra ny hetsika. Hiaro ny tena sy ny hafa ireo fihetsika ireo ka ilaina noho izany ny mahalala azy », hoy ny Tale Jeneralin’ny fisorohana ara-pahasalamana eo anivon’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.
Hatao mandavan-taona ity hetsika ity hahafahana miaro ny olona tsy ankanavaka. Sarobidy ny fahasalamana ka nyb tsirairay ihany dia samy efa tompon’andraikitra amin’ny hataony.
Miora Raharisolo
