Dépêches

Fahasalamana : Mahatratra 8 000 mahery ireo maty noho ny fifohana sigara sy fihinanana paraky.

Dépêche 20 décembre, 14h40, Efa samy mahalala avokoa fa maro ny aretina ateraky ny fifohana sigara. Ny te,na olana goavaana dia ny mahakasika ireo tsy mpifoka fa mifanerasera amin’ireo mpifoka matetika. Hatramin’ny 8 tapitrisa mahery no matin’ny fifohana sigara ary ny 1 tapitrisa amin’io isa io dia ireo tsy mpifoka fa mpifanerasera amin’ireo mpifoka. Ny 11,3% ny mpanjifa sigara sy paraky eto an-toerana dia tanora manodidina ny 13 hatramin’ny 15 taona, 14,8% kosa ny fanjifan’ny vehivavy raha mahatratra 38,7% ny fanjifan’ny lehilahy. Poizina maherin’ny 4000 no hita ao anatin’ny sigara ary miisa 27 ny aretina mety ho azo avy aminy, ny 12 amin’izany dia karazana homamiadana tsy sitram-panafody.

Laisser un commentaire