France : Lehilahy iray no hita matin’ny hatsiaka tao Pas-de-Calais
Lehilahy 24 taona no matin’ny hatsiaka rehefa nikasa nody tany an-tranony ny alahady teo. Niala tao Boulogne-sur-Mer tamin’ny 5 ora maraina ny tenany tamin’io fotoana io ary nandeha tongatra niazo ny toeram-ponenany tao Desvres, izay mbola 20 kilometatra mahery miala an’i Boulogne-sur-Mer.
Rehefa kelikely teny an-dalana dia niantso ny namany haka azy io lehilahy io. Nifanao fotoana teo amin’ny fiantsonana fiara fitateram-bahoaka tao Baincthun izy ireo saingy rehefa tonga teo amin’ny toerana nanovana fotoana ny naman’ilay lehilahy dia tsy nahita azy.
Niantso ny manam-pahefana avy hatrany ny olona akaiky io lehilahy io. Nanomboka ny fikarohana azy saingy ny alina vao hita ny razany. Raha ny fanazavana dia matin’ny hatsiaka na « hypothermie » ny lehilahy ary marihana ambany dia ambany ny maripana ao an-toerana amin’izao fotoana.
