Torohevitra: Ireo voka-tsoa azo avy amin’ny fihinana “graine de sesame”
Mety mbola maro ireo tsy mahalala ity akora iray ity izay anisan’ny ireo akora manana ny mahaizy azy ary mitondra voka-tsoa lehibe eo amin’ny fahasalamana, indrindra eo amin’ny fiasan’ny ati-doha, tsy inona akory izany fa ny “graine de sesame”.
Tsara ho an’ny ati-doha izy, ary tena mety ho an’ireo zaza mitombo tokoa. Ahitana singa mineraly isan-karazany ny “graine de sesame” ary misy ihany karazana otrikaina izay manatsara ny fitadidiana. Ireo zaza na ankizy manala fanadinana ihany koa dia tsara mihinana azy.
Misy karazany ny fomba fihinana azy. Maka “graine de sesame” efa voahendy, dia totoina atao mahazo vovony (toy ireny totom-boanjo ireny); maka iray sotro amin’izany hihinana vary sosoa isa-maraina. Ahita vokany avy hatrany aorian’izany. Azo atao ihany koa ny mihinana na mitsakotsako azy amin’izao fotsiny eny anelanelam-potoana eny.
Raha tsy mahita an’ilay “graine de sesame” tsy mbola voahendy moa dia efa misy ireo mpivarotra ny “graine de sesame” ho vatomamy eny an-tsena eny, afaka hohanina soa aman-tsara ary tena mahasalama.
Manitra Ramanantsoa
