ActualitésTatitra

ONU : Olona maherin’ny 335 tapitrisa no hila fanampiana maha-olona amin’ny taona hoavy

Olona maherin’ny 335 tapitrisa no hisedra ny fiantraikan’ny zava-nisy tamin’ity taona 2022 ity raha ny tatitry ny ONU. Olona 1 ao anatin’ny 23 izany raha fanazavan’izy ireo, manoloana izany dia miakatra 65 tapitrisa raha nampitahana tamin’ny taon-dasa no hila fanampiana maha-olona amin’ny taona 2023 io hoy ireo tompon’andraikitra.

Antony miharihary ao anatin’io fiakarana io ny fiovan’ny toetry ny andro, ny ady tao Ukraine fa indrindra ny fisedrana krizy ara-tsakafo lehibe indrindra maneran-tany. Tolo-tanana manodidina ny 51 500 tapitrisa dollars noho izany no tetibola andrasan’ny ONU sy ny mpiara-miasa aminy hiadiana amin’io krizy miandry io. Niakatra 25% ny tetibola tamin’ity taona ity izany.

Firenena 68 maneran-tany kosa no voakasikin’ny krizy maha-olona amin’izao fotoana. 10 amin’ireo no tena mila fanampiana vonjimaika, anisan’izany i Afghanistan, Syrie, Yémen, Ukraine, Ethiopie, République démocratique du Congo ary Somalie.

Laisser un commentaire