Fandraharahana: Ireo andraikitra tokony sahanin’ny mpitantana tetik’asa
Ao anatin’ny tontolon’ny fandraharahana, ao anatin’ny tsiambaratelon’ny fahombiazan’ny tetik’asa iray ny hafahantarana ireo andraikitra izay tokony ho sahanina sy tanterahana ao anatin’ny tetik’asa iray. Manana ny andraikiny izay tsy tokony atao ambanin-javatra tokoa ny mpitantana tetik’asa iray, miaraka amin’ny fanampian’ny ekipany.
“Andraikitry ny mpitantana tetik’asa voalohany ny mamaritra ny tetik’asa. Ao anatin’izany indrindra ny famolavolana ny satan’ny tetik’asa (charte de projet) sy ny votoatin’ny teti’asa. Ilaina ireo amin’ny fitantanana mazava sy amin’ny antsipirihan’ny tetik’asa. Manaraka izany ny fizarazarana ny tetik’asa. Ao anatin’izany no hahafantarana ny asa atao izay omena ny ekipan’ny tetik’asa manaraka ny ambaratongany avy, izay manaraka ny rafitra misy” hoy I Tahiana, tanora mpandraharaha.
“Ankoatra izany ny fandrindrana ny loharanon-karena, fanombanana ny fandaniana sy ny fananganana ny teti-bola, fanombanana ny fe-potoana sy ny fanamboarana ny fandaharam-potoana, izay tsy maintsy atao aorian’ny fizarazarana ny tetik’asa sy ny drafitra. Ao ihany koa ary zava-dehibe ny mahakasika ny fitantanana ny risika sy ny olana” hoy hatrany I Tahiana, tanora mpandraharaha.
Mbola maro ireo andraikitra izay tokony sahanin’ny mpitantana tetik’asa iray, izay miisa 11 izy ireo raha ny voalazana. Ny tena zava-dehibe tokony ho fantarin’ireo tanora na vao hisetra amin’ity tontolo ity, dia manomboka amin’ny fankatoavana ny tetik’asa ka hatramin’ny famaranana azy ary ny mpitantana tetik’asa no tomponandraikitra voalohany amin’ny fampandehanana izany.
Manitra Ramanantsoa
