ActualitésTatitra

France : Maimaimpoana ny fimailo ho an’ny tanora 18-25 taona manomboka ny taona 2023

Manoloana ny fivorian’ny CNR (Conseil national de la refondation) natokana ho an’ny fahasalaman’ny tanora tao Fontaine-le-Comte ny herinandro lasa teo dia nanambara i Emmanuel Macron fa ho maimaimpoana ny fimailo ho an’ny tanora 18 hatramin’ny 25 taona manomboka ny 1 janoary 2023 izao eny amin’ny toeram-pivarotana fanafody.

Lohahevitra iray tena mila dinihana ny fahasalamana ara-nofon’ny tanora hoy ny filoha. Nanararaotra nampiditra ny fanaovam-baksinin’ny tanora manoloana ny « infections à papillomavirus » izy nandritra izany ary nilaza ihany koa fa mila hamafisiny ny fampianarana ny resaka ara-nofo any an-tsekoly.

Laisser un commentaire