Embraer 190-E2 : Mitentina 245 000dolara ny hofany
Dépêche 09 décembre, 10h, Hanamafisana ny asan’ny seranam-piaramanidina sy ho fanatsarana ireo tolotra rehetra ao anatiny dia manofa fiaramanidina amin’ny orinasa Embraer ny Madagascar Airlines amin’izao fotoana izao. Mitentina 245 000dolara isam-bolana ny hofan’izany izay tsy maintsy fenoin’ity orinasam-panjakana ity. Hitondra tombontsoa ho an’ny Firenena anefa ny fanofana izany fiaramanidina izany, izay mahazaka olona 96 izay mizara ho sokajy roa dia ny “affaire” sy ny “économique” izany. Hanova ny fidiram-bola sy ny habetsaky ny olona mampiasa ity Madagascar Airlines ity izao fahazoana fiaramanidina vaovao izao.
