SocialTatitra

France : Mbola tsy miditra amponja aloha i « Paul Bismuth » na dia voaheloka aza

Voaheloka higadra 3 taona an-trano maizina ny filoham-pirenena teo aloha Nicolas Sarkozy raha araka ny valim-pitsarana navoakan’ny tribonaly ao Paris, ny alatsinainy 01 martsa. Resaka fanaovana kolikoly sy famitahana ny fanjakana frantsay no hanamelohan’ny lalàna ity filoham-pirenena frantsay teo aloha ity. Ny taona 2013, nanapa-kevitra ny hihaino ny serasera hataon’i Nicolas Sarkozy ny teo anivon’ny fitsarana entina manamarina raha toa ka mamatsy  vola tsy ara-dalàna ho an’i Lybie ny tenany ny taona 2007 nandritra ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana filoham-pirenena. Finday hafa no nampiasain’Andriamatoa Sarkozy hifaneraserana tamin’izany fotoana. Paul Bismuth kosa no anarana nisalorany hifaneraserany amin’ireo mpisolo vava azy. Voalaza fa nanaovan’i Nicolas Sarkozy endrika kolikoly ihany koa ny teo anivon’ny fitsarana mba tsy ahafahan’ny lalàna mahafantatra ny asa nifanarahan’izy ireo. Tamin’izany no nanolorany ny toerana maha mpanolotsain’ny fanjakana ao Monaco an’i Gilbert Azibert mpisolo vava jeneraly tao amin’ny cour de cassation. Manamarina ny endrika fanaovana kolikoly nataon’i Sarkozy, ny mpisolo vava azy ary i Gilbert Azibert ny ankamaroan’ireo serasera azon’ny manam-pahefana nandritra ny fitsikilovana natao an’ity filoham-pirenena frantsay teo aloha ity. Nanambara ihany koa izy manoloana ny sazy nomena azy ny alatsinainy 01 martsa teo fa misy ambadika avokoa ny fanamelohana azy. Nolazain’ny mpampanoa lalàna anefa fa tsy manan-kevitra ny hamaly faty amina filoham-pirenena teo aloha izy ireo fa ny lalàna velona no ampiharina.

Laisser un commentaire