France : Zazavavy iray no tsy nety niala tao ampianarana nohon’ny fanolanana mahazo azy any an-tranony
Zazavavy iray mpianatrin’ny kolejy Alès ao Gard no tsy nety niala tao amin’ny toeram-pianarany. Rehefa nanontanian’ireo tompon’andraikitra ny anton’izany izy dia nanazava fa misy naman’ny reniny tao ao amin’izy ireo matetika ary manolana azy.
Manoloana ny tranga dia niantso ny manam-pahefana avy hatrany tompon’andraikitry ny sekoly. Nanao fanadihadiana ny zazavavy ireo polisy ary nosamborina tao Anduze ilay lehilahy nahavanona ny loza. 66 taona io lehilahy nanao herisetra ara-nofo tamin’ilay zazavavy io ary fantatra efa nandritra ny taona maro izany.
Nohelohin’ny fitsaran’i Privat higadra 7 taona kosa io lehilahy saingy nisy ny fampiantsoana ka tsy mbola nihatra ny sazy. Marihana fa nosamborina nohon’ny firaisana tsikombakomba ihany koa ny renin’io zazavavy io.
