Ankadikely Ilafy: Hisy ny hetsika fanaovam-baksiny ao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba
Hisy ny hetsika fanaovam-baksiny miady amin’ny valan’aretina covid-19, izay tanterahina tsy ho ela ao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba, kaominina Ankadikely Ilafy. Misy ny fanoratana anarana mialoha, izay tokony hataon’ireo izay liana hisitraka izany, eny amin’ny biraon’ny fokontany Ambohitrarahaba, araka ny voalaza.
“Natao indrindra ho an’ireo izay te hisitraka na maniry ny hanao vaksiny ho an’ny fatra voalohany na ny fatra fanampiny ity hetsika ity. Hanasana sy hanentanana ireo mponina eto Ambohitrarahaba sy ny manodidina ho fiarovana ny fahasalamanao sy ny manodidina anao” hoy ireo tomponandraikitra mikarakara ny hetsika.
“Tsy an-tery ny fanatanterahana ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny valan’aretina covid eto Madagasikara. Manana andraikitra amin’ny fanentanana ho fiarovana ny rehetra kosa anefa ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Ny finiavana sy fahavononan’ny tsirairay no hery enti-manohitra izany aretina izany izay miverina mahazo vahana amin’izao fotoana izao” hoy I Harisoa, mpianatra ho mpitsabo.
Anisan’ny fanentanana efa nataon’ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy ny fanaovam-baksiny sy ny fampiarana ireo fepetra sakana ho fiarovana amin’ny valan’aretina covid. Marihina moa, fa efa manomboka amin ‘izao fotona izao ny fanoratana anarana amin’ity hetsika fanaovam-baksiny ity, izay atao ao amin’ny biraon’ny fokontany Ambohitrarahaba hatrany.
Manitra Ramanantsoa
