La Réunion : Hisokatra ny 20 desambra izao ny toeram-pialana voly vaovao ao Grand Bois
Handray ny ankizikeliny voalohany manomboka ny 20 desambra izao ny toerana filalaovana vaovao misy « jeux d’eau » ao amin’ny kianja Paddock, Saint-Pierre. Raha tsiahivina dia ozinina fanodinana siramamy no teo amin’io toerana io fahiny izay lasa malaza amin’ny fitsangatsanganana.
Natao niavaka ny toerana, mametrahana « jeux d’eau » maro ahafahan’ny rehetra miala voly hoy i Thomas Sélighlini, mpitantana ny orinasa Tom Player izay nofidian’ny kaominina tamin’ny fametrahana io toeram-pialana voly vaovao io.
Manonidina ny 850 000 euros kosa ny vola nampiasaina tamin’ny famolavolana io toerana io hoy i Cindy Armand, mpitantana ny fanorenana. Niaraka tamin’ny fananganana toeram-piantsonan’ny fiara sy ny fanamboarana ny toeram-pitsangatsanganana misy latabatra sy seza mantsy ny foto-drafitrasa hoy izy.
