France : Miakatra ny tahan’ny hala-botry
Niakatra 6,2% ny vidim-piainana tao France tao anatin’ny heritaona monja raha ny antontan’isa navoakan’ny Insee. Tafiakatra 9,9% izany taha izany teo amin’ny lafiny ara-tsakafo raha ny fanamafisan’izy ireo.
Niakatra ihany koa ny hala-botry na ny « vols à l’étalage » tao amin’ny firenena hoy ny ministeran’ny atitany. Nitombo 17% ny fitarainana noho izany antony izany teo anelanelan’ny volana janoary sy aogositra 2022 raha ny fanazavany. Tsy mbola afaka manamarina nefa izy ireo raha misy hifandraisany amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana io fitomboan’ny trangan’halatra io hoy nny tompon’andraikitra.
Na dia eo aza io tranga io dia mbola vitsy ireo mpivarotra mametraka fitoriana hoy ny sekretera jeneralin’ny sendikà nasionalin’ny orinasa fiarovana, Cédric Paulin. Sarotra, ela ary mandany vola hoy izy ny fametrahana fitoriana ka aleon’ireo mpivarotra mitady marimaritra iraisana amin’ilay mpangalatra.
