Anosy Avaratra: Mila fanaraha-maso akaiky ny fomba fiasan’ireo fiara fitateram-bahoaka
Mampitaraina ireo mponina ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra sy ny manodidina, izay mampiasa ireo zotra miasa ao an-toerana ny fomba fiasan’ireo fiara mpitatitra ao an-toerana, amin’izao fotoana izao. Raha ny voalaza, manary an-dalana ireo fiara mpitatitra ao an-toerana, ary tsy manaja ny bokin’andraikitra sy ny toeram-piantsonana.
“Manaitra ny tompon’andraikitra isan-tsokiny mba hijery ny zava-misy manoloana ny ataon’ireo fiara mpitatitra fa mijaly ireo mponina, ireo mpandeha noho ny tsy fanajan’ireo mpamily sy ny mpanampin’ny mpamily ny zon’ny mpanjifa” hoy I Faniry, mponina ao Anosy Avaratra.
“Tsy vao izao, ary tsy izaho irery ihany no sendran’izao fa ny ankabeazan’ireo fiara mpitatitra ireo dia tsy tonga any amin’ny faran’ny fiantsonana avokoa fa manary an-dalana. Rehefa tonga anefa izy ireo dia maka olom-baovao eo amin’ny toerana eo ihany ka lazaina fa Anosy Avaratra ihany no farany” hoy I Ravo, mpandeha fiara fitateram-bahoaka.
Anisan’ny zava-miseho tato ho ato tokoa, lasa fanaon’ny fiara mpitatitra ny tsy manaja ireo toeram-piantsonana sy ny fakana saran-dalana tsy araka ny tokony ho izy ary efa nanaovan’ireo mpandeha antso avo amin’ny tomponandraikitra. Mila jerena eny ifotony tokoa izao zava-misy izao ary tokony samy handray fepetra tandrify azy ny tomponandraikitra isan’ambaratongany.
Manitra Ramanantsoa
