ActualitésTsidika

QMM : Mbola mikatona hatrany ny orinasa ao Mandena, Toliara

Nisedra olana ity orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany ao Toliara ity nanomboka ny voalohan’ny volana desambra teo. Mbola tsy miasa hatrany noho izany ireo mpiasan’ny Quit Madagascar Minerals na ny QMM ho fiarovana ny ain’izy ireo.

“Ny fitrandrahana sy ny fikirakirana ary fanadiovana ny Ilménite, monazite ary ny zirsil ao amin’ny toby Mandena izao hatreto no mbola tsy misokatra aloha fa mbola mampanahy ny fandriampahalemana izay mety hamoizan’ireo mpiasa ireo aina”, hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny QMM.

“Iny sakana nataon’ireo mponina iny aloha hatreto raha ny fijerinay azy dia tsy ny olona rehetra no nanao izany fa ireo tsy mankasitraka ny fangalana ny tany sasany ihany. Na ireo mpiasa na ireo mponina dia zary very fihinanana avokoa noho izany olana izany izay tokony hitadiavana vahaolana”, hoy hatrany ny fanazavana.

Nanamafy kosa ny Governoran’ny faritra Anosy ny amin’ny tokony hanamafisana sy hanohizana ny fifampiresahana sy ny tokony handoavan’ny orinasa QMM ny vola ho an’ireo olona tompon’ny tany sy ireo mpanjono izay very asa sasany. Etsy andaniny anefa ny QMM dia manambara fa vonona hatrany amin’ny fifampiresahana milamina tsy anaty korontana fa amin’ny fomba diplomatika sy manaja ny lalàna.

Na inona olana, tokony hialana hatrany korontana izay mampitombo avo roa heny ny olana izay mitranga. Ny fifampiresahana hatrany no tokony hatao vahaolana hialana amn’ny mety ho aina hafoy na fanimbana foto-drafitr’asa. 

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire