ActualitésTsidika

Fahasalamana: Mbola maro ny olana sedraina amin’ny fanabeazana ara-pananahana eto Madagasikara.

Mbola misedra olana sy sakana maro ny mahakasika ny fanabeazana ara-pananahana sy ny fanabeazana mahakasika ny zo ara-nofo. Mbola dingana maro no tokony hodiavin’ireo fikambanana isan-karazany misehatra ao anatin’ny santé au droit sexuel et reproductive (SDSR) eton Madagasikara raha ny fanambarana avy amin’ny OMS.

“Manomboka 15 taona ny ankizy sy ny tanora dia efa miditra amin’ny resaka firaisana ara-nofo. Ny tahan’izany dia 17% raha ho an’ny vehivavy ary 9% raha ho an’ny lehilahy. Ny fisitrahahna ny fanabeazana mahakasika izany anefa dia mbola voafetra satria maro ireo antony sy sakana toy ny finoana, ny kolontsaina, ny fampianarana, eo ihany koa ny politikan’ny fanjakana izay mbola tsy amahashy miresaka izany mivantana na dia ilaina aza. Izany no mbola anisan’ny manano sarotra ny amin’ny fanabeazana mahaaksika ny SDSR”, hoy ny solontenan’ireo Fikambanana misehatra amin’izany.

“Efa mieratsy ny tantara satria ankizy kely mbola eny amin’ny ambaratonga voalohany dia efa misy bevohoka sahady satria 31.2% amin’ny ankizy eny izao no efa bevohoka. Izay indrindra no mahazacvadehibe ny tokony hiresahana ity fotokevitra iray ity mba hahafahana mamaha ny olana. Olana maro hafa ihany koa mantsy no aterk’izany raha tsy hiteny afatsy ny fahasalamana ho an’ilay zaza fotsiny. Antony iray nadraisan’ireto Fikambanana ireto andraikitra ny amin’ny fanaparitahana ity SDSR ity ka nivondrona ho iray izy ireo mba hanamafisana ny feo”, hoy ny avy ao amin’ny OMS;

“Raha ny fahitako azy aloha ilaina ny miresaka izany amin’ny tanora. Mitovy amin’ny zavatra rehetra any am-pianarana ihany hoe mila beazina amin’ny lafiny rehetra ny ankizy fa manjary manaonao foana. Bevohoka rehefa avy eo dia sahirana ihany amin’ny fiainana sy ny ho avy. Nefa raha nanana fahalalalana mety nahay nitandrina”, hoy i Hanta, renim-pianakaviana.

Fandraisana anjaran’ny rehetra anefa no hahafahana miaro ny ankizy sy ny tanora amin’ny fahasalamana ara-pananahana. Manana adidy amin’izany voalohany indrindra ireo Ray aman-dReny ao an-trano, manaraka izany ireo mpanabe ary ny fiaraha-monina. Indrindra ny fiaraha-monina anaty tambazotran-tserasera izay tena efa hiainan’ny tanora ankehitriny. Izany rehetra izany indrindra no nanatanterahana ity fampiofanana ny mpanao gazety mahakasika ny SDSR ity.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire