SocialTatitra

Etats-Unis : Mampanantena vaksiny ampy ho an’ny olon-dehibe rehetra i Joe Biden

Mbola mitohy hatrany ny ady atao amin’ny tsy hipariahan’ny valanaretina coronavirus ao Etats-Unis. Maminavina ny ahazoan’ny fireneny vaksiny ampy ho an’ny olon-dehibe rehetra amin’ny faran’ity volana martsa ity ny filoham-pirenena Joe Biden nandritra ny fanambarna nataony ny talata 02 martsa teo. Tsy midika anefa izany fa ho vita vaksiny amin’io fe-potoana io avokoa ny mponina rehetra, hoy izy nanampy. Etsy ankilany kosa, ao Texas, nanambara ny fiafaran’ny fanaovana aro vava orona sy ny tsy fahafahan’ny toeram-pivarotana rehetra tsy ankanavaka misokatra ny goverenora repoblikana any an-toerana. Johnson & Johnson no vaksiny nosafidian’ny governemanta amerikana hatolotra ireo mponina rehetra ao Etats-Unis. Efa nahazo alalana amin’ny fampiasana azy ny firenena ny faran’ny herinandro lasa teo. Mbola voafaritra ho an’ny 18 taona no ho miakatra ihany ny fanaovam-baksiny hatreto. Hatramin’ny faran’ny volana jona 2021, tokony mahavita manome levim-patra 100 tapitrisa ho an’i Etats-Unis ny orinasa Johnson & Johnson raha ny fifanarahana nataon’izy ireo. Etsy ankilan’izay kosa, nanome baiko ny hanajanonana ny tsy maintsy hanaovana aro vava orona ao texas ny governora repoblikana Greg Abbott ny talata 02 martsa. Na mbola tsy foana tanteraka aza ny valanaretina coronavirus ao an-toerana, nanambara izy fa efa nihatsara ny toe-draharaha raha miohatra amin’ny tamin’ny volana oktobra 2020. Entina hitsinjovana ihany koa ireo olona maro tsy afaka miasa nefa manana adidy sy andraikitra amin’ny fianakavian’izy ireo tsirairay avy hoy ity governora ity no nandraisana ny fanapahan-kevitra.

Laisser un commentaire