Lalao CJSOI: Tsy nanana solontena i Madagasikara tamin’ireo taranja rehetra.
Dépêche 05 décembre, 14h30, Ao Maurice no hatao ity lalao CJSOI ity ny 4 ka hatramin’ny 11 desambra teo. Lalao natokana ho an’ireo tanora latsaky ny 17 taona izy io ary ny firenena rehetra ao Atsimo Andrefan’ny Ranomasimbe Indianina no miatrika izany. Tsy nahitana solontena mihitsy i Madagasikara nandritra ny fanokafana ny lalao na dia efa nanaika aza ireo avy ao amin’ny federasiona fa ho tonga tamin’io fotoana io ny volana jona. Izany indrindra no ilaina ny fifampiresahana eo amin’ireo tompon’andraikitra rehetra mba tsy hampitsanga-menatra ny Firenena. Efa nisy manko ireo mpilalao amin’ny taranja sasany no vonona toy ny avy ao amin’ny taranja atletisma.
