Dépêches

Fanatanjahantena : Tsy nitsanga-menatra teo amin’ireo firenena hafa i Madagasikara nandritra ny Africa Cup 3*3

Dépêche 05 décembre, 11h45, Notanterahina tao Caire ny faran’ny herinandro teo ny lalao fiadiana izay ho tompondakan’ny Afrika amin’ny lalao Basket lalaovin’olona 3 na ny Africa Cup 3*3 izany. Nandrombaka ny amboara teo anatrehan’ny Ekipam-pirenena Ejiptianina ireo Ankoay lehilahy tamin’ny isa 20 noho ny 17 ka voasafidy hiatrika ny lalao iraisam-pirenena izay hatao any Austria amin’ny 2023 . Ireo Ankoay vehivavy kosa nahazo ny laharana faharoa ary voasafidy hiatrika ny lalao fifanintsanana iraisam-pirenena izay hatao any Israel.

Laisser un commentaire