ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Maro ireo mpianatra nisafidy hirotsaka an-tsitra-po amin’ny fanatanterahana ny tetik’asa «Seikatsu Kaizen »

Anisan’ny mifampitohy amin’ny fiofanana izay natolotry ny kaominina Ambohimanambola, mahakasika ny fianarana ny teny, sakafo ary ny kolontsaina Japoney, izay nifanarana tamin’ny herinandro lasa teo ny tetik’asa  » Fanatsarana Fiainana » na  » Seikatsu kaizen « . Maro tamin’ireo mpianatra nanaraka izany fiofanana izany no nisafidy hirotsaka an-tsitra-po amin’ny fanatanterahana ity tetik’asa ity, araka ny voalaza.

«Anisan’ny fampiharana azo atao ary manampy ireo mpianatra, indrindra fa ireo vao nahavita ny fiofanana tato amin’ny kaominina ny fandraisana anjara amin’ny filatsahana an-tsitra-po amin’ny fanatanterahana ny tetik’asa Fanatsarana fiainana, izay iharana amin’ireo volontera japoney hatrany amin’ny kaominina Ambohimanambola » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

«Tombony lehibe ho anay tanora mpianatra ny fanarahana ny fiofanana tahaka izao. Anisan’ny manampy amin’ny fahazoana traik’efa vaovao izany, no manampy ihany koa amin’ny fivelarana eo amin’ny sehatra isan-karazany” hoy I Tahiana, mpiofana.

Tsiahivina moa, fa tamin’ny Alarobia 30 Novambra teo no nifarana ilay fiofanana momba ny teny, sakafo ary kolontsaina japoney tao amin’ny kaominina, izay narahina fampisehoana nataon’ireo mpianatra sy lanonana ary ny fizarana marim-pankasitrahana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire