SportTatitra

Grande-Bretagne : Nampahafantatra ny fiara vaovao entiny miatrika ny taompilalaovana vaovao i Mercedes.

Nampafantatra ny W12 E Performance ny marika Mercedes, izay kasainy ahazahoana ny amboara maneran-tany amin’ny formule 1 ho amin’ity taona 2021 ity. Kendren’i Lewis Hamilton sy Valtteri Bottas mba ho tafiditra ao anatin’ny farany raitra indrindra io fiara W12 io. Efa im-pito nisesy izay no nahazahoan’i Mercedes amboara toy izao amin’ireo mpamory sy mpanorina fiara nanomboka tamin’ny fisian’ilay môtera « turbo hybrides » (tamin’ny 2014). Tamin’ny talata 02 martsa no naseho tamin’ny mpankafy ity Mercedes-AMG F1 W12 E Performance ity. Toy izao indray ny datin’ny fampafantarana ny fiara manaraka ; ny 03 martsa no anjaran’ny Aston Martin AMR21 amin’ny 04 ora hariva. Ny 04 Martsa amin’ny 9 ora maraina indray an’ny Haas VF-21. Ny 05 Martsa ny an’i Williams FW43B. Amin’ny 10 Martsa indray kosa ho an’ny Ferrari SF21.

Laisser un commentaire