ActualitésTatitra

Syrie : Nahazo mpitarika vaovao sahady ny vondrona islamika

Nilaza ny vondrona islamika resy tao Syrie sy Irak ny alarobia teo fa lavo tao amin’ny faritanin’i Daraa tao atsimon’i Syrie ny lehiben’izy ireo, Abou Hassan al-Hashimi al-Qurashi. Mpikomy syrianina malalaka, mitam-piadiana no nandavo azy raha ny tatitrin’ny mpitondra tenin’ny vondrona djihadiste. Nanamarina io fanambarana io ihany koa ny lehiben’ny Centcom, tafika amerikanina ao Moyent-Orient.

Efa voatendry sahady kosa ny solon’io mpitarika lavo io. I Abou Al-Hussein al-Husseini al-Qurashi indray no misolo azy ary lasa lehiben’ny vondrona laharana fahaefatra. Marihana fa lavo nohon’ny fanafihana avokoa ieo mpitarika ny vondrona taloha. I Abou Bakr al-Baghdadi al-Qourachi no mpitarika voalohany tamin’izany izay lavon’ny amerikanina tao Syrie ny taona 2019. Nanarakaraka azy i Abou Ibrahim al-Hachimi al-Qourachi, lavo ny volana febroary teo ary izao lavo izao indray i Abou Hassan al-Hashimi al-Qurashi.

Laisser un commentaire