Dépêches

CENI: Mieritreritra ny hanajanona ilay fanisana mpifidy any anaty orinasa

Dépêche 01 décembre, 14h, Taorian’ny fihaonan’ny CENI tamin’ireo solontenan’ny mpanao politika maro ny herinandro lasa teo dia maro ny hevitra nivoitra tao anatin’izany. Anisany amin’izay ny mahakasika ny fanisana ireo mpifidy any anatin’ny orianasa, tetik’asa iray vao novolavolain’ny CENI hahafahana manafaingana ny fanisana. Niteraka disadisa izany teo amin’ny mpandray anjara tamin’ny fihaonana. Mbola azon’ny CENI atao ihany koa anefa ny manajanona izany tetik’asa izany satria mbola tsy niainga fa ny fifampiresahana tamin’ireo orianasa no efa nifanaovana.

Laisser un commentaire