Anjeva : Hisy ny lalao ampahaefa-dalana amin’ny taranja baolina kitra vehivavy mandritra ny faran’ny herinandro
Hisy ny lalao baolina kitra, lalao ampahaefa-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna, sokajy vehivavy, izay atao amin’ny kianaja Salazana, ao amin’ny kaominina Anjeva, mandritra ity faran’ny herinandro ity. Ekipa maro avy any amin’ireo fokontany manodidina mandrafitra ny kaominina no ho avy handray anjara mandritra ny sabotsy sy alahady ireo.
« Ho an’ny andron’ny sabotsy manomboka amin’ny 1ora tolak’anro no hanomboka ny lalao izay hifanandrinan’ny ekipan’ny espor du sud avy ao Tsarahasina sy ny UZA 17 avy ao Ambohiboahangy. Handimby azy ireo ny FC Fanilo sy ny FC Famille ary hamarana ny andron’ny sabotsy ny FC Miray sy ny Real fille avy ao Ampano » hoy ireo tomponandraikitra mpikarakara.
« Tahaka izay ihany koa ny andron’ny alahady izay mbola hanomboka amin’ny 1ora tolakandro ihany izay hilalaovan’ny Interpool feminine sy ny 4FL. Hanomboka amin’ny 2ora sy sasany kosa ny lalao atsasa-dalàna izay ifanindrin’ny FC Tiko avy ao Ambohimalaza sy ny Black star avy ao Soanierana” hoy hatrany ireo mpikarakara.
Anisan’ny fanomezana lanja ny lalao baolina kitra eo amin’ny sokajy vehivavy ny lalao tahaka izao. Ireo mpanohana araka izany sisa no handrasana. Raha tsy misy tokoa ny fanohanana, tsy hiroborobo ity taranja ity.
Manitra Ramanantsoa
