Suisse : Raim-pianakaviana iray tsy hita niaraka tamin’ny zanany roa
Raim-piavanakiana iray no ahiahian’ireo manam-pahefana ao Suisse naka an-keriny ny zanany roa. Nanao fanambarana ny polisin’i Genève ny talata teo fa zaza roa 5 sy 7 taona no tsy hita niaraka tamin’ny rainy, rehefa naka azy ireo rava avy nianatra tao Thônex, eo amin’ny sisintan’i Suisse sy France izy.
Manahy ireo manam-pahefana manoloana izany fa nivoaka ny sisitanin’i Suisse izy telo mianaka ireo. Manao antso avo kosa ireo tompon’andraikitra amin’izao fotoana ny amin’ny fikarohana an’ireto farany. I Laurent V. no anaran’ny raim-pianakaviana izay 51 taona, Julie sy Milo kosa no anaran’ireo zaza tsy hita ireo hoy ny mpitondra tenin’ny polisy Alexandre Brahier.
