Pologne : Nifampiresaka antaroby tamin’ny olona nisandoka ny filoha Emmanuel Macron ny filoha
« Hacker » roa avy ao Russie no nisandoka ho filohan’i France ary nifandray antaroby tamin’ny filohan’i Pologne, taorian’ny nianjeran’ny misily tao an-toerana. Nohamafisin’ny biraon’ny filoha Andrzej Duda io tafatafa io ny 22 novambra teo na dia efa niparitaka tao amin’ny tambajotra-tserasera aza izany resaka nifanaovan’izy ireo izany.
Mpanao hatsikana avy ao Russie antsoina hoe Vladimir Kuznetsov sy Alexei Stolyarovireo mitondra ny anarana miantsehatra hoe « Vovan et Lexus » no nisandoka ny filoha Emmanuel Macron ary fantatra fa misy hifandraisany amin’ny serivisy fiarovan’i Russie izy ireo. Ny fizotran’ny resaka no nampiahiahy an’i Andrzej Duda ka nahatonga azy nanapaka ny antso.
Raha tsiahivina dia efa voafitaka antaroby io filohan’i Pologne io tamin’ny taona 2020. Nihevitra ny tenany tamin’izany fa nifampiresaka tamin’ny lehiben’ny ONU Antonio, Guterres.
