Ambohimanambola : Maro toerana afaka hialana voly
Toerana miavaka, ary nampalaza an’Ambohimanambola, ny Batou Beach. Anisan’ny mampiavaka azy ilay izy voahodidina zava-maitso, ary manintona tokoa ho an’ireo mpitsidika. Toerana izay tsy dia alavitra ny renivohitra fa tongan’ny fiara soa aman-tsara.
« Toerana azo hialana voly tsara ary hanaovana fitsangatsanganana ato amin’ny Batou Beach. Maro ireo fialam-boly azo atao ato an-toerana toy ny lomano, ny basket, ny baolina kitra sy ny maro hafa. Mandray lanonana sy hetsika isan-karazany ihany koa ny toerana satria malalaka tsara, mety amin’ny fahefan’ny rehetra » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Batou Beach.
« Miavaka sy mahafinaritra ny toerana. Madio rivotra ary tena mahatamana ihany koa. Raha izaho manokana, hafa ihany ilay mivoaka kely ny renivohitra raha mitsangatsangana sy miala voly kely » hoy i Santatra, mpitsidika ny toerana.
Somary mian’avaratra an’Antananarivo no misy an’ny batou beach, raha miala eo Ambohijatovo, dia ireny zotra I, mandeha any Ambohimanambola na Masindray ireny, no andehanana. Mirary, ary sahaza ny fahefan’ny rehetra ihany koa, ny hofan-toerana ho an’ireo mpitsidika.
Manitra Ramanantsoa
