Iran : Vehivavy mpilalao sarimihetsika iray no nosamborina rehefa nanala ny saron-dohany
Vehivavy mpilalao sarimihetsika iray tao Iran antsoina hoe Hengameh Ghaziani no nosamborin’ny manam-pahefana misahana ny « mœurs » tao an-toerana ny alahady teo. Nanala ny saron-dohany teny an-dalam-be izy ho fanohanana an’i Mahsa Amini, ilay tovovavy 22 taona maty nandritra ny fiazonana azy vonjimaika tao am-ponja, izay nosamborina nohon’ny fanalàna saron-doha ihany koa.
Marihana fa fandikana ny lalàna mifehy ny fomba fitafy ho an’ny vehivavy ao Iran ny fanalàna saron-doha. Nilaza ny Hengameh Ghaziani nandritra ny fanalàny ny saron-dohany fa manohana ary miaraka amin’ny vahoakan’i Iran hatrany izy mandrapaha tapitrin’ny fofonainy. Raha tsiahivina moa dia efa am-bolana ny fihetsiketsehana ao Iran, mitaky ny rariny tamin’ny nahafatesan’i Mahsa Amini.
