ActualitésTatitra

La Réunion : Misy ny fanangonana tsy misy arakaraka ireo basy tsy ara-dalàna

Mikarakarafanangonana basy tsy ara-dalàna tsy misy arakaraka ny minisiteran’ny atitany ao La Réunion, tarihin’ny SCAE (Service central des armes et explosifs). Manomboka ny 25 novambra izao io hetsika io ary tsy hifarana raha tsy ny 2 desambra 2022.

Entina hanafahana madiodio ireo tsara sitrapo manana basy na hanomezana fahafahana ireo maniry ny hitahiry izany handrakitra izany ara-dalàna ao amin’ny SIA (système d’information sur les armes) io hetsika io. Tanjon’izany ihany koa ny famerana ny fifamezivezen’ny basy ao La Réunion hoy ny tompon’andraikitra.

Nohon’ny fizahana na lova nandritra ny ady lehibe faharoa ny voalohany ny ankahamaroan’ny basy tsy ara-dalàna ao La Réunion saingy tsy mahalala ny lalàna mifehy izany ankahamaroan’ireo manana azy.

Laisser un commentaire