Ambohimangakely: Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny asa fikojakojana ny lalan-kely
Tamin’ny faran’ny herinandro teo no nanatontosana ny lalanona, nentina nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny asa fikojakojana ny lalan-kely amin’ny kaominina Ambohimangakely. Ny fanatanterahana izany asa izany izay amin’ny alalan’ny fitantanana iombonana anatin’ny tetikasa Lalan-kely III, araka ny voalaza.
“Hanomboka tsy ho ela ny fanatanetrahana ny tetik’asa, izay efa nampitaraina ireo mponina hatramin’ny ela ny mahakasika ireo lalana eny ifotony ireo. Efa nisy ny fanolorana ireo fitaovana entina miasa sy ny fifanaovan-tsonia nandritra ny fanokafana teo” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Efa ela ny mponina no nimenomenona momba ny faharatsian’ny lalana sy ny tsy fahampian’ny fikojakoana ireo lalan-kely ety anivon’ny fokontany. Hisaorana ireo tomponandraikitra amin’ny fandraisana fepetra sy ny fanohizana ny asa amin’ny tetikasa Lalan-kely ity” hoy I Raobison, mponina ao Ambohimangakely.
Araka izany, ho avy tsy ho ela ny fanombohan’ny fanataneterahana ity tetik’asa Lalan-kely it. Marihina moa fa ny fanatanterahana ity farany izay iarahan’ny kaominina amin’ny ONG Gret.
Manitra Ramanantsoa
