ActualitésTsidika

Alasora: Nanatanteraka fanadiovana faobe niaraka tamin’ny fikambanana Kolotanana

Nifanentana niara-nanatanetraka fanadiovana faobe teny amin’ny fokontany Est Mahazoarivo, tamin’ny faran’ny herinandro lasa iny, ny avy amin’ny kaominina Alasora sy ny fikambanana Kolontanana, izay miandraikitra sy misahana ny resaka fako sy ny fahadiovana ary ny fikojana ny lalan-kely ao anatin’ny kaominina.

“Mifanentana hatrany ary mitohy foana ny fanatanterahana ny asa fanadiovana ny tanàna. Ny ezaka atao dia mba hanatrarana ny tanjona dia ny kaominina Alasora madio sy maha te honina” hoy ireo avy amin’ny fikambanana Kolotanana.

“Zava-dehibe tokoa ny fandraisana andraikitra tahaka izao. Ary manoloana izao tokony hifanampy ihany koa ireo mpiara-monina amin’ny fitandroana ny fahadiovana. Tokony ho samy sarotiny satria ny fanadiovana sy ny fitandroana ny fahadiovana dia tsy anjaran’olo-tokana » hoy i Miarana, mponina ao amin’ny fokontan Est Mahazoarivo.

Tsy vita ray andro tokoa ny fanadiovana sy ny fitandroana ny fahadiovana, mila fandraisan’andraikitra avy amin’ny isam-batan’olona ny fitandroana izany, ary tokony samy hanao hiezaka amin’ny fahadiovana ny rehetra mba hananana fokontany mirindra, milamina sy maha te honina. Rehefa tsy mandoto dia efa manadio, hoy isika malagasy.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire