ActualitésTatitra

Etats-Unis : Hirotsaka amin’ny fifidianana 2024 i Donald Trump

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy i Donald Trump fa mbola hirotsaka kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena ao Etats-Unis amin’ny taona 2024. « Mba hamerenana an’i Amérique ho lehibe sy be voninahitra dia manambara ny firotsahako ho filoha aho » hoy izy nandritra lanonana natao tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny lehiben’ny tranony tao Mar-a-Lago, ao Floride.

Nidokadoka ny fe-potoam-pitondrany teo aloha ihany koa i Donald Trump nandritra io lahateniny io. Tany amin’ny telo taona lasa tany dia teny amin’ny faratampon’ny fahatanjahany, ny fanambinany ary ny lazany i Etats-Unis hoy izy. Nilaza ny tenany fa niana tao anaty vanim-potoan-tsarotra, tebiteby ary famoizam-po ny firenena tao anatin’ny roa taona nitondran’i Joe Biden.

Laisser un commentaire