Etats-Unis : Nelly Korda tompondakan’i Gainbridge amin’ny taranja Golf
Nobatain’i Nelly Korda ny fandresana tamin’I Gainbridge tao Boca Raton, ao Floride, ny alahady 28 febroary lasa teo. Fandresena fahaefatra tamin’ny LPGA tour ity azon’i Korda ity. Vao 22 taona monja ny tenany amin’izao fotoana. Tamin’ny volana novambra 2019 ny amboarany voalohany tao Etazonia. Kapoka 3 tao ambanin’ny “par” (fetra tokony ho izy), birdies (mihena kapoka iray amin’ny tokony ho izy amin’ny lavaka iray) 3 no azony tamin’ny lavaka 6 voalohany. Tsara fanombohana ny lalao. Nitotaly 272 ireo kapoka nataon’ny’i Korda tamin’ny fiafaran’ny lalao. 16 coups tao ambanin’ny par izay nisongona ny an’ireo mpifaninana taminy, i Lexi Thomspon (Etats-Unis) sy Lydia Ko (Nouvelle-Zélande). Toy izao kosa ny filaharana nandritra iny fifaninana ny alahady 28 febroary lasa teo iny. Nahazo ny laharana faha-4 i Jin Young Ko (-11) laharana voalohany erantany, nihaona tamin’i Sarah Kemp (Australie). I Sei Young Kim avy ao Corée du Sud, voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra tamin’ny fizaran-taona lasa, no teo amin’ny laharana faha-24. Nitàna ny laharana faha-74 kosa i Annika Sörenstan, laharana voalohany maneran-tany teo aloha, raha nisitaka tsy nilalao nandritra ny 13 taona. Farany, eo amin’ny laharana faha-44 no ahitana an’ilay frantsay Perrine Delacour raha toa ka raraka teo amin’ny fihodinana faharoa i Céline Boutier mbola avy ao Frantsa ihany koa. Lexy Thompson arak’izany no mitàna ny laharana faharoa aorian’i Kelly Korda. I Lydia Ko kosa no eo amin’ny laharana fahatelo.
