Pologne : Mitohy ny fanadihadiana mikasika ilay balafomanga
Voadaroka balafomanga voalaza fa namboarina tao Russie i Pologne ny alin’ny 15 novambra teo, raha ny tatitry ny minisiteran’ny raharaham-bahiny tao an-toerana. Olona roa no maty nandritra izany.
Manoloana io tranga io dia nivory tao Bali ny marain’ny 16 novambra teo ireo tompon’andraikitrin’ny G7. Voamarina fa namboarina tao Russie io balafomanga io saingy heverina tsy niainga avy tao amin’io firenena io ny fandefasana izany hoy ny filohan’i Etasts-Unis, Joe Biden.
Niantso ny mponin’i Pologne ho tony kosa ny praiminisitrin’ny firenena, Mateusz Morawiecki. Nampiantso ny ambasadoran’i Russie ihany koa ny tenany hanome fanazavana momba ny tranga.
