Sosialy : Notokanana ny ivontoerana vaovao handraisana ireo ankizy iharan’ny herisetra
Notokanana ny ivontoerana handraisana ireo ankizy latsaky ny 18 taona hianjadian’ny herisetra tetsy Isotry. Ny taona 2003 no natsangana ziany toerana izany, ary izao navaozina izao indray. Eo ambany fitantanan’ny Fiadidiana ny kaominina Antananarivo ity ivontoerana ity k any Ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miombon’antoka no niaraka nanao izao fitokanana izao.
« Horaisina ato amin’ity ivontoerana ity ireo ankizy lahy sy vavy mijaly eny anivon’ny fiaraha-monina madritra ny folo andro izay andro hahavitan’ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro filaminana. Miaina toy ny olon-drehetra ireo ankizy ireo ary mahazo sakafo stara sahaza azy. Ahitana lakozia, trano fatoriana ary toerana fialana voly izany ivontoerana izany », hoy ny tompond’andraikitry ny toerana.
« Maro ny tombony amin’ny fananana itony toerana itony raha tsy hiteny afatsy ny fanampina ireo ankizy ziay mijaly, na ara-batana zainy, na ara-tsaina, na ara-panahy ihany koa raha ilaina. Mamorona asa ho an’ny olona sasany ihany koa dia satria dia ahitana mpiasa 3, renin-jaza miisa 6 ary mpanao lakozia 1 ao an-toerana, ireo no miara-misalahy mampandroso izany toerana izany », hoy ny Ben’ny Tanàna Antananarivo Renivohitra.
Tsara ny fandraisana an-tanana satria ilain’ny ankizy ianjadian’ny herisetra ny manana soroka afaka hizarana alahelo. Mila ampiomanina ara-tsaina ihany koa anefa izy ireny raha hiala ao amin’io toerana io rehefa vita ny faandihadiana ka tokony ampiana “psychologue” noho izany ao amin’ity toerana ity.
Miora Raharisolo
