Japon : Tsy mbola misy ny fanairana tondra-drano taorian’ilay horohorontany nahery vaika
Nisehoana horohorontany nahery vaika tao Japon ny 14 novambra teo. Nahatratra hatramin’ny 6,1 ny tanjak’izany, raha ny fanazavan’ny JMA (foibe famantarana ny toetr’andro ao Japon). Tany amin’ny 350 km ny halalin’ny ranomasina manodidina ny departemantan’ny Mie kosa no ivon’izany.
Tsy nisy ny loza voagavana na ny aina nafoy nandritra ioloza voajanahary io. Tsy nisy tsy fahatomombanana hita ihany koa tao amin’ny toby noklearin’i Fukushima Daiich ao avaratra atsinanana na dia tao amin’ny faritr’i Fukushima sy Ibaraki aza no tena nahery vaika ny horohorontany. Hatreto tsy mbola nanambara ny mety hisian’ny tondra-drano ireo tompon’andraikitra.
