Ambanja : Jiolahy miisa 4 mitam-piadiana nanafika tranom-barotra
Dépêche 15 novembre, 11h30, Nisehoana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana indray tao Ankatafahely Ambanja omaly hariva. Mbola vao tamin’ny enina ora hariva no nitrangan’izany, ary lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola mitentina 2 500 000 Ar. Tonga ara-potoana ireo mpitandro filaminana ka lavo tamin’izany ny jjiolahy iray raha naratra kosa ny 3 ambiny. Tafaverina tamin’ny tompony avy hatrany ireo vola ary azo ihany koa ireo fitaovana fampiasan’ireo jiolahy ka notanana am-ponja ireo jiolahy. Efa tsy milamina intsony ny tany ka mila mailo hatrany amin’ny mety ho zava-miseho. Ilaina ihany koa ny mampandre haingana ny mpitandro filaminana rehefa misy trangan-javatra toy izao.
