ActualitésTatitra

France : Tovovavy iray nofaon’ny TGV tao Var

Tovovavy iray 18 taona no nodomin’ny TGV (train à grande vitesse) tao Cannet-des-Maures, tao Var ny sabotsy teo. Niampita ny lalàm-by tamin’ny « trotinette » io tovovavy io raha ny fanazavana. Maty teo no ho eo moa izy na dia tonga vetivety teny an-toerana aza ny mpamonjy voina.

Maro ireo olona nahita ny tranga ary tohina tanteraka raha ny tatitr’ireto farany Noraisan’ireo tompon’andraikitra an-tanana ihany koa manoloana izany ny fampitoniana azy ireo. Ny zandary avy amin’ny brigadin’ny Le Luc-Gonfaron kosa no miandraikitra ny fandihadiana manoloana ny anntony niampitan’io tovovavy io teny afovoan’ny lalàm-by.

Laisser un commentaire