Fahasalamana : Miakatra hatrany tahan’ireo olona mitondra ny tsimok’aretina covid-19
Dépêche 14 novembre, 16h, Nanambara ny antotan’isan’ireo mitondra ny tsimok’aretina covid-19 indray ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamana. Miakatra indray ny taha raha oharina amin’ny tamin’ny herinandro lasa. Miisa 71 indray ireo tranga voamarina izay saika ahitana avokoa ny faritra maro ary miisa 108 ankehitriny ireo manaraka fitsaboana. Miverina matetika indray ny fanentanana izay tsy tokony hiandrasana fanentanana fa tokony handray andraikitra samy hiaro ny tenany ny olona tsirairay.
