Festival Jerijery : Tratra tany amin’ireo mpivarotra ny entana maro efa lany daty
Manoloana ny ankatoky ny « Festival Jerijery », izay atao any Vavatenina, dia nanao fandehanana ifotony ny avy ao amin’ny ministeran’ny varotra ka tratra tamin’izany entana lany daty milanja 500 kilao eo ho eo. Sokajin’entana maro no tratra tamin’izany ary teny anivon’ny tsena madinika sy ireo magazay maro mihitsy.
« Entana lany daty sivy gony, milanja 500 kilao any ho any no sarona. Ahitana zava-pisotro misy gaz, biscuit kely isan-karazany, kosin-jazakely, ronono mandry mamy, voatabia am-bifotsy sy entana hafa koa izy ireo. Manangona entana manko ny mpivarotra hiatrehana ny “Festival Jerijery” ka izay no antony mahatonga izao fahamaroan’ny entana lany daty izao », hoy ny talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana any an-toerana.
« Ho potehina sy hodorana ireo entana ireo ary hampiana ny famùpahafantarana sy ny fampianarana ireo mpivarotra mahakasika ny lalànan’ny varotra aorian’izao hetsika izao », hoy hatrany ny fanazavana.
« Efa fantatra fa mamparary ny zavatra lany daty indrindra raha hohanina ka tsy tokony ho varotana. Misy amin’ny mpivarotra no manao fanahy iniana ka tokony hosaziana mihitsy satria mamono ny mpiray Tanindrazana izany. Metetika ihany koa tsy hitan’ny fanjakana ny any amin’ny Magazay fa ny mpivarotyra madinika foana no hita kanefa any mihitsy no hipoiran’ireny entana ireny », hoy i Nasolo, olon-tsotra.
Manerana ny faritra rehetra no nanaovana izany fandehanana ifotony izany ka nohentanina avokoa ny mpivarotra rehetra mba handray andraikitra amin’izany. Nampahafantarina azy ireo ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fametahana ny vidi’entana ho hitan’ny be sy ny maro mba hampisy ny mangarahara hatrany.
Miora Raharisolo
