ActualitésTatitra

Turquie : Olona 11 may kila forehitra tao Bursa

Nisehoana fahamaizana trano tao Bursa, tanàna lehibe any avaratra andrefan’i Turquie ny 9 novambra teo. Olona 11 no maty tamin’izany, teratany Syrien ny 9 izay zaza avokoa ny 8 raha ny tatitrin’ny governoran’ny faritra, Yakup Canbolat.

Fianakaviana iray ireo Syrien namoy ny ainy ireo, renin-pianakaviana ny iray ary zanany 1 hatramin’ny 10 taona ny 6, zanaky ny mpiray tampo kosa ny 2 izay 11 sy 12 taona. Taloha kelin’ny misasakalina no nanomboka nirehitra ny afo, ary lapoaly hazo no niteraka izany.

Tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza kosa dia teny an-dalàna nody namonjy ny tokantranony ny raim-pianakavian’io ankohonana io. Avy namonjy fahoriana tao Istanbul izy no nahita ny tranony nirehatra, niezaka namonjy ny fianakaviana izy saingy sepotrin’ny setroka.

Laisser un commentaire