Côte d’ivoire : Hifantoka amin’ny fampandrosoana ny fizahantany sy ny hotely aty Afrika ny CITHA 2023
Teboka iray hifantohan’ireo tompon’andraikitra mandritra fifanakalozan-kevitra amin’ny CITHA 2023 (Conférence sur l’Investissement Touristique et Hôtelier en Afrique), ny fampandrosoana ny indostrin’ny fizahantany sy ny hotely aty Afrika. Hifantoka manokana amin’ny fanarenana ny fizahantany sy ny indostrian’ny hotely manoloana ny covid-19 izy ireo.
Raha tsiahivina dia hotontosaina ao amin’ny hotely Pullman Abidjan ny 17 hatramin’ny 18 janoary 2023 izao io andiany fahatelo io. « Mendrika ny tsara i Afrika » (l’Afrique mérite le beau) no lohahevitra banjinina mandritra izany. Ny minisitry ny fizahantany sy ny fialam-boly ao Côte d’Ivoire sady filohan’ny filankevitra mpanatanteraka ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fizahantany, Siandou Fofana kosa no hiahy io andiany io.
